Misy tany novidianay tamin’ny 2007 aty Vohémar. Tamin’ny andro nividiana io tany dia “témoin” ny Président ny Fokontany Tanambao-Vohémar dia nanambara izy fa tsisy lalana andalo amin’io tany io fa ny lalana dia mandalo aloha ny trano ivelany tany-nay izay éfa misy marika na fandalovana toamaobilina.
Nahazo alàlana anamboarana trano izany izahay dia natao ary ny trano sy ny féfy. Nony raharaha-pirenena misy eto amin’ny firenena dia mbola tsy vita ny taratasy eo hanatrehany “services des domaines” fa ao ampikarakarana izany izahay. Dia nangataka “certificate d’occupation des sols” tamin’ny Maire ny Vohémar izay anamboarana ny taratasy ny tany. Tsy méty manoméhy izy satria niova hoy izy ny lalana ho atao fa anapaka ny tany-nay.
Nazavanay tamin’ny Président ny Fokontany sy ny Maire fa matoa izahay nanao trano tamin’io tany io dia ny Président ny Fonkontany izay “témoin de vente”nanazava soamantsra ny fandehany lalana ho avy ary nanaméhy toky.
Hénonay fa misy tompony tany anakiray izay tokony andalovany lalana araka nazavainy Président ny Fokontany taminay nivarotra ny tany-ny tamin’ny havany iray izay mipétraka any an-dafy.
Mahagaga ihany ny antony tsy anomézany Maire « certificat d’occupation des sols » kanéfa misy trano miféhy vita tamin’ny 2007 ny tany-nay ary fantatry Maire sy Président ny Fokontany izany.
Misaotra tompoko.
Natacha AMADY
LOT T72 B 800
VOHEMAR (209)





