Ry Raiamandreny Mpitarika anay Fiangonana Kristiana.
Maresaka be fa hiditra an-tsehatra amin’izay ny FFKM ! Tsy misy hahadiso ny FFKM amin’izany. Fa izao no mba eritreritray raha atosaka fotsiny aloha :
1. Tokony hampahafantarin’ny FFKM fa tsy « acteur politique » ny FFKM ! Koa tsy manao politika ary tsy baikon’ny mpanao politika ary tsy azon’iza na iza terena na rahonana na tambatambazana ka dia hoe : « Eny re tompko, ho avy izahay FFKM ».
2. Mba hahafahan’ny FFKM mirotsaka tokoa amin’ny fanelanelanana na fampihavanana izay iangaviana azy, dia ampahafantarin’ny FFKM an’ireo miangavy na manery azy fa an’Andriamanitra ny Fiangonana ka tsy baikon’iza na iza ary raha mitaona ny FFKM hanelanelana na hampihavana ny mpanao politika dia tsy maintsy mankatò izany maha an’Andriamanitra ny FFKM izany sy ny fahefan’Andriamanitra amin’ireo rehetra sady mitonona ho tompon’andraikitra no mbola mitonona koa fa “zanak’Andriamanitra”, ao amin’ireo ankolafy sy firehan ary antoko politika rehetra voakasik’ity fahasahiranana mampandady ny firenena Malagasy ity.
3. Amin’ny maha Fiangonana ny Fiangonana dia MANANA NY FOMBANY NY FFKM ! Izany hoe : manana ny FOMBA FITENINY (langage) izy, manana ny fomba fiasany izy, manana ny HAFATRA AMPITONDRAIN’NY TOMPO azy izy, koa TSY NY SITRAPON’NY MPANAO POLITIKA NO IDIRANY NA TSY IDIRANY, tsy ny Mpanao politika no hamepetra azy amin’itsy sy amin’iroa. Ry Pr Alain Tehindrazanarivelo CST-UDRC izao dia efa mitady sahady hamatopatotra ny FFKM sy hanao « soratononina » izay heveriny fa tokony hambaran’ny FFKM sy ny hataony ! Hoy mantsy io manao politika io : « Aoka tsy hamerina ny fahadisoany ny FFKM » ! Aoka ho fantatry ny mpanao politika fa tsy izy ireo no hamepetra ny FFKM fa ny mifamadika amin’izay : "Ny FFKM no mifidy izay fomna fiasay sy manery ny mpanao politika amin’izay tiany hanerena azy !
4. Koa raha mihevitra ny mpanao politika fa ilaina ny FFKM da tsy ho « vatom-panorona » hakiskisaka ary tsy ny « teti-panorona politika » mahazatra ny mpanao politika no andrasana amin’ny FFKM. Koa afaka mirotsaka ny FFKM fa tsy maintsy manaiky izay fomba fiasa sy ny fomba fitarika ary ny fomba fitantana ny « fanelanelanana » tian’ny FFKM arahina ny mpanao politika ! Rehefa tsy hanaiky ny mpanao politika dia aoka isika FFKM haneho mazava fa nopotehin’ny mpanao politika ny vahoaka ary dia melohin’ny Tompo izany ! Dia avelao ho hitan’ny havany eo !
Azon’ny FFKM takina amin’ny mpanao politika koa fa tsy hirotsaka amin’izany ny FFKM raha tsy ny ankolafy politika rehetra no hanaiky sy hankato izay hitondran’ny FFKM ny baolina ! Rehefa tsy manaiky ny ankolafy politika, na dia iray ihany aza (ohatra ny TGV sy ny UDRC) dia tsy fahavoazan’ny FFKM ny tsy firotsahan’ny FFKM !
5. Azon’ny FFKM atao tsara no mitarika ny fanelanelanana ka hanaraka izao dingana izao :
Eo anoloan’ny angady tarihina no anjogaina ny omby fa tsy aoriana : NY FIFAMELANA SY NY FAMPIHAVANANA NO TSY MAINTSY ATOMBOKA MIALOHA NY ZAVATRA REHETRA !
TSY MAINTSY NY MPITARIA IREO ANKOLAFY (Chefs de File des Mouvances) aloha no ampihavanina, izany hoe izy efa-dahy, izay fampifanatonana azy efa-dahy sy ny fampihavanana azy izay ary ny fitarihana azy ho amin’ny fifamelana no DINGANA VOALOHANY ! Hisy sonia hataon’izy efa-dahy izany !
Raha misy IRAY MONJA AMIN’IZY EFA-DAHY NO MANDA DIA AOKA HIDABOKA NY RAHARAHA ! Ny mahadiso iza làlana izorana amin’ny alàlan’ny Feuille de Route izao mantsy dia satria io « fampihavanana » io no atovana ny resaka politika nefa io no tena miloha ny rehetra !
Neken’ny mpanao politika ny hilefitra eo anatrehan’ny SADC-UE-ONU sns. koa nahoana izy no tsy hilefitra eo anatrehan’ny IRAK’ANDRIAMANITRA, na koa ny MPAMINANIN’ANDRIAMANITRA ? Koa raha tsy manaiky ny « ASCENDANCE » an’ny Fiangonana (satria an’Andriamanitra Tompon’ny Fiangonana) ny Tontolo politika dia aoka ho hitan’ny havany eo ny vokatry ny avonavny sy ny fireharehany dia ny fahapotehan’ny firenena sy n vahoaka malagasy !
Mialoha ny hanombohana ny FAMPIHAVANANA, izany hoe rehefa manaiky io « ascendance » an’ny Fiangonana io ny rehetra ary manaiky ny hampihaonina eto Madagasikara ireo mpitarika ny ankolafy dia izao : HANATONTOSA FANOMPOAM-PIVAVAHANA IRAISAM-PINOANA ENY MAHAMASINA NY FFKM, TSY MAINTSY HANATRIKA AN’IO IREO MPITARIKA NY ANKOLAFY EFA-DAHY SY IREO MPITARIKA ANTOKO SY NY SISA REHETRA ! Ary dia hovelivelesina eo daholo izy rehetra ! Koa ny LOTORJIA sy ny TORITENY amin’io dia IANAREO FILOHM-PIANGONANA EFA-DAHY NO HANDRAFITRA IZANY REHETRA IZAN !
Izay, ry Raiamandreny isany ! Dia misaotra sy manao veloma finaritra no mirary soa amin’ny Anaran’ny Tompontsika.