Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 13h42
 

Répondre à un commentaire

14 février 2018 à 12:17 | RAMBO (#7290)

Présidence de la République de Madagascar .

Ny fandriam-pahalemana, ny fiarovana ny harem-pirenena, ny ady amin’ny kolikoly, ny fiakaran’ny vidim-piainana no anisan’ny hitadiavana vahaolana amin’ny fivorian’ny governemanta ao Mantasoa

Nosokafan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny fivorian’ny governemanta ao Mantasoa izay hatrehan’ireo minisitra sy ireo mpiara miasa akaiky amin’izy ireo. Tokony ho jerena akaiky ireo olana miantraika mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka toy ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny ady amin’ny kolikoly, ny fiarovana ny harem-pirenena hoy ny filoham-pirenena.

Nanafatra ny praiministra manokana ihany koa izy ny amin’ny fanomezana sazy entitra kokoa ho an’ireo tsy mamokatra sy manohitohina ny fitantanam-panjakana. Hisy vahaolana hivoaka mifanaraka amin’ireo lohahevitra ireo hoy ny praiminisitra . Ho resahana mandritra io fotoana io ihany koa ny paikadin-tserasera mety indrindra mba hahafahan’ireo ministera tsirairay mampita amin’ny be sy ny maro ny hetsika sy ny vokatr’izy ireo.

Dia hoy i Rambo :

Hoy ny fitenenana hoe :« Aleo tara toy izay tsy misy mihitsy ». Ny andro sy ny ora rehetra dia saro-bidy ary 4 taona dia toa be nefa tsy ampy. Betsaka ny asa maika tsy maintsy natao tao anatin’izay 4 taona izay. Fandamina ny andrim-panjakana rehetra izay nidaboka tamin’ny tany tanteraka. Ny Filoha Hery Rajaonarimampianina dia tsy mahagaga raha be mpankahala na inona asa vitany na inona. Ny antony dia mpitondra ngezalahy be roa izao no very seza. Ilay seza be ao Iavoloha. ’ l’objet de tous les désirs"... Be ny fitombenana te hipetraka amin’io seza be io fa hatreto aloha dia Hery Rajaonarimampianina no eo. Nisy fitombenana efa teo fa mbola tsy mahafoy ka te hiverina. Kanefa tsarovy fa ny vahoaka Malagasy no tompon ny teny farany. Ny marina tsy very ary aoka ny tantara no hitsara.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS