Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 23h23
 

Répondre à un commentaire

14 février 2018 à 20:53 | lysnorine (#9752)

Re : Mihaino, 14 février à 13:00 répond à FINENGO

« Depuis le règne de Ratsiraka et de tous les dirigeants successifs [...] Nous avons entendu les mots suivants relatifs aux réunions de chaque gouvernement : forum, conclave, séminaire, retraite et aujourd’hui team building et demain il est sûr qu’un autre mot savant à la mode verra le jour .Pourquoi pas coaching , brain storming »

Marina mihitsy ireo fanakianana ny fomba fitondram-panjakana lasa lamaody taorian’ny Mey 1972, ary indrindra taorian’ny nandraisan’Ingahy Ratsiraka ny fahefana tamin’ny 1975. Ny antony rehefa alaina ambony, alaina ambany ny votoatin-keviny dia FANARONANA

(1) ny TSI-FAHAFANTARAN’ny « sefosefo » loatra ny fandeha sy ny fampandehanan’ny raharaham-panjakana ary
(2) ny TSI-FAHASAHIAN’ izay tena tompon’andraikitra HANAPA-KEVITRA koa takotakonana amin’ilay fiaraha-mivory ny HADALANA rehetra. Niaraha natao tsinona ka !

Misy ohatra iray azo hitarafana kely izany, nitranga nandritra ny Tolom-piavotana. Teknisianina Malagasy manana ny maha-izy azy no nitatitra taty aminay ilay hadalana bevava ka nahaverezan’ny Fanjakana Malagasy enim-polo na fitopolo tapitrisa vola amerikanina (US$ 60 m-70m, mihoatry ny nividianan’i Air Mad’ilay Boeing 747 izany !)
Nisy tetikasa niarahany tamina orinasa vahiny hamokatra zezika simika [AMMONIAC sy URÉE] tany Toamasina, hampiasa ny vokatry ny fanadiovana solitany [« raffinerie » ] sasany : « NAPHTA » , izay sarobidy sy « GAZ DE QUEUE », izay very fotsiny kanefa azo ampiasaina. Noho izany, dia ambany ny masonkarenan’ny famokarana ireo zezika ireo. Efa nandroso tsara ny fananganana ny ozinina saingy noho ny fahasahiranany ara-bola, dia nandeha nanafatra solitany tany Romania ny fitondrana, kanefa solitany MAVESATRA izy io fa TSY MAIVANA, hany koa voatery nanaovana fanamboarana angaha izany ny « raffinerie » mba hahazoany manadio io solitany mavesatra avy any Romania io. Voka-dratsin’izany dia tsy misy intsony ilay « GAZ DE QUEUE » azo maimaim-poana izay tena niankinan’ny ahazoana tombom-barotra avy amin’ilay vinavinan’asa anefa. Noho ny fatiantoka bevava hateraka izany dia niala ilay orinasa vahiny, ary ny fanjakana malagasy no diso tanteraka. Fanontaniana dia tsy nisy ve na IRAY aza tamin’ny mpiara-miasa tamin’Ingahy Ratsiraka mba nampitandrina azy MIALOHA ny amin’ny zava-doza haterak’io fanafarana solitany Romanianina io ?

2) « Selon le premier ministre, « un pays avance selon la VISION du Chef de l’Etat. Et lorsqu’il a été élu, celui-ci a à cœur le développement du pays » . La réalisation de cette vision incombe au gouvernement qui s’est vu confier une MISSION bien précise, dont la lutte contre la corruption, contre l’insécurité et contre le trafic des ressources minières malgaches, souligne Olivier Mahafaly. »

Ireo antsoina hoe « mission » araka ny hoe « vision du Chef de l’Etat » dia raharaha sy andraikitra sahan’izay mpitondra fanjakana sy governemanta REHETRA , matihanina, ANDAVANANDRO koa zavatra mandeha ho azy, tsy ilana na prôgrama manokana avy amin’ny mpilalao pôlitika, na « vision » manokana avy amin’ny manam-pahefana na koa fivoriana manokana sy fananganana sampan-draharaham-panjakana manokana fandaniam-bola fotsiny, matetika hanomezana toerana ny namana na ny havana, kanefa efa misy ny sampan-draharaha voatendry hanao ilay asa.

Ny tena ilàna VISION dia ny fanovana ny famindra REHETRA nandritra ny 35 taona lasa nony bankirompitra i Madagasikara ka nozanahan’ny FMI sy ny Banky Mondialy mbany IZAY NITROSANY REHETRA . Tsy hiverenanay intsony ny resaka efa nataonay matetika teto momba izany, ohatra :

- lysnorine 22 novembre 2016 à 08:16, http://www.madagascar-tribune.com/Liens-historiques-forts-renouveau,22684.html#comment326638 ; [« Reprendre le CONTRÔLE DE LA CRÉATION MONÉTAIRE » ]
- lysnorine 28 décembre (2017) à 19:58, http://www.madagascar-tribune.com/Litige-oublie-entre-la-CUA-et-l,23516.html#comment353897 ;
- lysnorine 29 janvier (2018) à 20:16, http://www.madagascar-tribune.com/Andry-Rajoelina-veut-redonner-de-l,23571.html?id_article=23571&id_objet=23571#formulaire_forum [« consensus de Washington » ]

Misy lahatsoratra manaraka, natao ho famenon’ireo nosoratanay ireo ka rarína hampieritreritra ny mpivory any Mantasoa manao « Team building gouvernemental ». Sao misy tokony hamoahana « Vision » politico-économique hafa hampandrosoana ny tokan-tranom-pirenena ka mety hiteraka fahasoavana azo tsapain-tanana eo amin’ny fiainana andavanan’andron’ny sarambabem-bahoaka mitrongo vao homana.

« INTERVIEW du Professeur Richard A. Werner »
ao amin’ny « Horizons et débats », 22 août 2016, 15e année, No 18, « Critique de l’École économique de Chicago », http://www.voltairenet.org/article193063.html

« Richard A. Werner est Allemand et spécialisé en sciences économiques et professeur de système bancaire international [...] Actuellement, il est professeur en système bancaire international et directeur du département pour le développement international et directeur (et fondateur) du Centre for Banking, Finance and Sustainable Development. [...]
« M. Werner est également membre fondateur de la Local First Community Interest Company, une entreprise d’utilité publique préparant l’introduction de banques locales en Angleterre, selon le modèle des CAISSES D’ÉPARGNE et des BANQUES COOPÉRATIVES ALLEMANDES. »
(hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS