Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

NOSY BE

14 taona dia efa mivaro-tena

vendredi 13 juin 2008 |  3973 visites 
Maro no voarebirebin’ireo vazaha ny tovovavy malagasy.

Zazavavy kely vao 14 taona dia efa mivaro-tena ao Nosy Be. Tsy misy fahamenarana intsony. Tsy misy fepetra matotra rahateo raisin’ny tompon’andraikitra ao an-toerana.

Mahakivy ny mijery ny fiainan’ny mponina ao Nosy Be. Vitsy ny olona tena manana anton’asa, zara raha misy mpianatra any an-tsekoly. Mampalahelo ny fahitana zazavavy kely, mivaro-tena, misarangotra vazaha isan’alina. Voatavo tsy mifandraka tokoa satria misy vao 14 taona monja. Fa ny tena mahavariana dia ny valintenin’izy ireo rehefa anontaniana ny antony hanaovany io asa io. « Mila vola hanaovana bazary izahay, io no loharanom-bola aingana indrindra », hoy ny famaliny.

Manano jaloky !

Mamporisika hivaro-tena daholo na ny ray aman-dreny , eny fa na ny vady aza. Zary lasa fomban’ny lehilahy ao an-tanàna ny manatitra ny vadiny, na ny sakaizany eny amin’ny « bar ». « tsy olana aminay ny andehanan’ny vadinay mivaro-tena satria maro aminay no tsy manana asa ». Lasa fitaovana tanteraka ny vehivavy, saingy tsy misy mitaraina. Marina fa tsy misy asa ao an-toerana, saingy voamarika fa malaina ihany koa ny mponina. Mahamenatra azy ireo ny mamboly sy miompy, kanefa ny fari-pahaizana tsy lasa lavitra loatra. Ny « business » ihany no mahaliana ny olona.

Aiza Ra-fanjakana ?

Mpizahatany 1000 isan-kerinandro farafaha-keliny no mitsidika an’i Nosy Be. Mitobaka ny vola vahiny, ary roboka tanteraka ny mponina. Ireo vahiny koa manararaotra satria gaboraraka ny fampiharana ny lalàna. Fanapahan-kevitra farany noraisin’ny tompon’andraikitra any an-toerana, volana vitsivitsy izao, ny fanidina ny « bar » amin’ny 12 ora alina, saingy misokatra foana kosa ny trano fandihizana. Tsy misy fisavana karapanondro, afaka misotro zava-pisotro misy alikaola daholo na ny kely na ny lehibe. Manodidina ny 50 euros ny saran’ny fivarotan-tena, araka ny fanazavan’ireo zazavavin’ny alina. Saingy rehefa tsy mandeha ny varotra, dia misy manaiky na sarana fahana finday ihany aza.

Mi.R

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}