Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 09h42
 

Malagasy

Kaominina Ampefy

Ahiana hirotaka ny olona

vendredi 21 décembre 2007 | Naivo kely |  483 visites 

« Na ampahany na manontolo ny famerenana ny fifidianana ao amin’ny kaominina Ampefy, dia tsy manaiky ny vahoaka satria toa miendrika fanitsakitsahina ny safidim-bahoaka izay nametraka ny fitokisany 53,61% ho an’ny kandida Rakotoarimanana Patrick Olivier izao ». Io no nambaran’ireo komity mpanohana ity kandida ity omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety nilaza ny alahelony momba ny filazan’ny tribonaly administrativa fa haverina ny fifidianana ampahany any amin’io kaomnina io. Fifidianana nizotra tao anatin’ny filamninana, ary tsy nisy ny fitarainana an-tsoratra, « PV », niraisan’ireo delegen’ny kandida mpifaninana, kanefa dia io no didy nivoaka. « Izahay nitarika tamin’ny isam-bato ambony indray no resy raha namoaka ny vokatra navoakan’ny « TAF » ny fahitalavim-pirenena io alarobia io. Fanitsakitsahina ny tena demokrasia izao, ary tsy ho tompon’andraikitra amin’izay mety ho hatezeram-bahoaka izahay kandida manoloana io fivadihan’ny voka-bato io ».