Raikitra indray ny fifanjevoan’ny saka sy totozy. Nahamenatra tanteraka ny nahita ny fifanjevoana teo amin’ny mpivarotra sy ny mpiasan’ny kaominina ny zoma hariva teo. Tsy nifidy olona noraofina intsony ny teo anivon’ny kaominina eto andrenivohitra fa izay tandrify azy dia voadaroka no noraofina avokoa. Efatra no naratra, ary ireo nanatri-maso nanambara fa nisy ny maty ? Ramatoa lehibe iray nanambara fa mpangataka izy io. Iny zoma iny dia nisy ny fanadihadiana natao, fa tsy mbola nandrenesana ny fisian’io olona maty io, nandritra ny fifanjevoana tetsy Analakely.
Tsy maintsy diovina ny tanàna, ary tsy hanaiky lembenana izahay ato amin’ny kaominina. Tany tan-dalàna isika ka tokony ahay hanaja izany ny rehetra hoy ireto mpiasan’ny kaominina ireto. Ankilany, dia nanambara ny mpivarotra, fa tsy misy ny toerana natokan’ny kaominina ho azy ireo, ka ny moron’ny arabe no hany ahafahan’izy ireo mivelona. Ny mpividy koa etsy ankilany tsy maka sarotra fa avy hatrany dia mividy izay mety amin’ny filany. Alamino fa mahamenatra ny zava-misy eto amintsika. Ireo vahiny mandalo, dia mahatsapa fa hanjakan’ny korontana tanteraka ny tsena eto amintsika. Ny halatra ataon’ny jiolahy etsy ankilany dia miha-mahazo vahana amin’itony tsena itony. Ny sabotsy sy omaly alahady, dia hita fa mbola maro ny mpivarotra nivarotra teny amin’ny faritr’ Analakely sy Mahamasina ary Isotry. Hanao ahoana indray ny anio ?