Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Teny zato, kabary arivo

Aleo mangina

samedi 9 février 2008 | Naivo kely |  573 visites 

Tsy taitra ny olona, ary ny kandida mpilatsaka aza toa tsy rototra. Fifidianana inona ity, ary inona no tena andraikitra ho raisina eo amin’ny fampandrosoana ? Ireo no heno ao ambavan’ny rehetra raha mandre ilay fifidianana izay ho atao amin’ny 16 martsa ho avy izao. Toa tsy latsa-paka ao an-tsain’ny be sy n’ny maro izy io, kanefa ny ny lalàmpanorenana no mametraka io ka tsy maintsy atao.Tsy rototra ny mpanohitra, ary manangam-bovona ny tsy mpandray anjara hoe mitongilana ny demokrasia eto amintsika. Porofo mitohoka amin’ny tsirairay fa hifantohan’ny rehetra ihany ilay fifidianana, saingy ny fanjakana mihitsy angaha no tsy mety ? Zary lasa hifandroritana lava izao ny fifidianana eto Madagasikara, kanefa ny vahoaka ihany koa tsy ho pempoana lava izao izao amin’izay safidy hananany. Lany andro ny foto-kevitra fa tavan’olona no hifampitsarana, ary midika io fa aleo mangina fa, tsy isika mianakavy ihany ve no ho tsarain’ny latsa-bato ataon-tsika e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}