Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Teny zato, kabary arivo

Ampamoaka

samedi 22 décembre 2007 | Naivo kely |  1239 visites 

Tsy handova zavatra tsy mety ny ben’ny tanana vaovao. Midika io fa izay vandana dia kary ary ny raharaham-pirenena tsy hanankavana. Nivoaka ny ampamoaka tao amin’ny kaomina Antaninarivo renivohitra manoloana ny fomba fitantanana ara-bola tao. 8 Miliara ariary latsaka kely ny trosa tsy voalohan’ny kaominina ho an’ireo mpandraharaha natanteraka asa maro tao anatin’ny valo volana. Tsy misy intsony ny Gasoil hanala ny fako izay mitentina 800 Tapitrisa mahery tokony haloa amin’ny SAMVA, kanefa tsy hita veroka koa io hatramin’izao. Inona no tena marina ?

Manomboka ny ampamoaka satria tsy ho te-ratsy eo anoloan’ny vahoaka ny mpitondra vaovao, ary ny tanana tsy maintsy ho diovina satria tsy avela hianoka ao anatin’ny loto ny vahoakan’i Iarivo. Inona marina no nahatonga io trosa be miavosa io ? 135 Miliara FMG ny tetibolan’ny kaominina 2007, ary fantatra fa 171 tapitrisa ariary ny trosa navelan’ny mpitondra ny kaominina 2006 kanefa nanana vola 1,53 miliara ariary azo hampiasaina avy hatrany ny mpitondra vaovao ny taona 2007. Raha atao ny kajy dia vitsy ny trosa tavela tao amin’ny kaomnina Antananarivo renivohitra io taona nilaozantsika 2006 io raha mitaha amin’izao tarehi-marika navoakan’ingahy Ben’ny tanana Andry Rajoelina izao 2007. Nanaovana ny asa ahatratrarana ny lalaon’ny nosy ve io banga be io sa ny vahoaka teto andrenivohitra no tsy nahaloa hetra ? Hitaky fitantanana mangarahara ny ben’ny tanana Andry TGV, ka iza avy no ho maimbo ao ? Fa natao inona daholo ireo vola tsy hita nanjavonana ireo no dia hianoka ao anatin’ny trosa lava ny renivohitra ? Ho hita eo izay tena nanao rapa-dago satria manomboka izao ny ampamoaka, ka izay vandana dia kary.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}