Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 15h35
 

Malagasy

Matsilo

Ampy izay hoy i Ranjivason

vendredi 18 juillet 2008 | Naivo kely |  824 visites 

Aleo milaza ny marina halan’andriana, toy izay mamono ny rariny halam-bahoaka.

Mitombo ny disadisa manenika ny fiainam-pirenena sy ny sokajin’olona. Ny lonilony mila tsy ho voatsindry intsony. Tsy zava-baovao izany, saingy mihamahazo vahana. Efa nisy ireo fanairana nataona fikambanana vaventy, iraisam-pirenena, na teratany eto an-toerana na any am-pielezana. Teo ny antso avo tamin’ny Pentekosta nataon’ny FFKM. Ny hafatry ny filankevitry ny Eveka, ny fanehoan-kevitra III, navoakan’ny conecs. Tsy azo hodiana tsy hita ny antsoa ny antoko politika isan-karazany misy eto, sy ny fiaraha-monim-pirenena maro.

Isan’ny navoitran’ny fikambanana Matsilo ireo omaly. Ampy izay, fa tsy maintsy miditra amin’ny fanazavana ny tena zava-misy marina eny anivon’ny vahoaka izahay, hoy ingahy Ranjivason.

Maro ny tolo-kevitra efa narosonay Matsilo hoy izy, isan’ireny ny fanitsiana ny lalam-pifidianana, mba hisoroana ireo savorovoro maro samy hafa. Isan’io ny fanaovana ny bileta tokana, fampiasana ara-drariny ny harem-pirenena handresena ny fahantrana. Ny hita anefa dia manetsin-tadiny ny mpitondra, ary mamasobasoka an’ireny tolo-kevitra ireny no volankankafotra ny vavany.
Mampalahelo ny fianam-bahoaka, satria miaka-midina toa nifin-tsofa ny ampahan’isan’ny mponina mahantra. Midangana ny vidin’entana ilain’ny vahoaka andavan’andro. Isan’io ny hofan-trano, ny JIRAMA, ny saram-pitanterana, vidin-tsolika ary ny kojakoja ilain’ny mponina amin’ny fambolena.

Ny Matsilo dia manameloka tanteraka ireo fanao tsy ara-drarinymisy, mangeja ny fahalalahana, mihevitra ny vahoaka ho zaza ary mampidi-doza ny firenena. Manentana ny olon-drehatra ho mailo ny Matsilo, na ny mponina eto an-tanindrazana na any ivelany sy ireo mpiara-miombon’antoka mba tsy hihamangidy sy hihamangeroka noho izao toe-javatra misy eto amin’ny firenena izao.

Nandritra ity fihaonan’ny Matsilo tamin’ny mpanao gazety ity ihany no nilazany ny heviny momba ny resaka fanovana ny rafim-pampianarana eto Madagasikara. Tokony hisy ny fiarahana midinika vao manampan-kevitra. Ny oniversite eto amintsika aza tsy nahafantatra ity fanovana ity. Ny maika izao, dia ny fanampiana ireo mpampianatra izay hita fa tsy maharaka ny sehatra izay tokony hanabeazana ny zaza Malagasy. Ilana ny fampihenana ny ankizy ao andakilasy, satria raha ny eto amintsika dia mbola misy mpianatra 60 ao amin’ny kilasy iray. 30 raha be indrindra no tokony ho izy. Ity fanampahan-kevitra maimaika ity no tsy mahatafarina ny fampianarana eto amintsika.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}