Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 17h14
 

Malagasy

Manakara

Any an-toerana ny filoha nasionalin’ny TIM

mercredi 23 juillet 2008 |  486 visites 

Manoloana ny fahitàna ilay zavatra hita misaodisaody manodidina an’i Madagasikara, any amin’iny fari-dranomasin’i Manakara iny, ny herinandro lasa teo, dia nisolo tena ny fitondram-panjakana nandeha nijery akaiky izany tany an-toerana ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Yvan Randriasandratriniony.

Ny Alatsinainy 21 Jolay 2008 dia nisy ny fivorian’ny OMC-Région tany Manakara, nahitàna ny tompon’andraikitra sy ny manam-pahefana any an-toerana, ny avy amin’ny Pôlisim-pirenena, ny minisiteran’ny Jono ary ny avy amin’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena, nandinika sy nandray ny fepetra rehetra tokony hatao manoloana ny fisehoan-javatra toy izao mba hampandriana fahalemana ny tany. Nanatrika izany ny Filohan’ny Andrimpanjakana ambony Yvan Randriasandratriniony.

Miendrika balaonina toy irony fingotra lehibe fampiasa amina sambo roa mifandona irony na antsoina hoe : « défense pneumatique » ary miloko mainty, ity zavatra hafahafa hita any amin’ny morontsirak’i Manakara ity. Tsy fantatra mazava na rivotra fotsiny no antony mampibotsina azy io na misy zavatra hafa mihitsy ao anatiny. Rehefa natao ny fandinihana dia mety koa nisy sambo roa nifampita entana ka votsotra ilay fitaovana nampiasaina manamora ny famindràna izany. Ka na ilay fitaovana no io mitsingevana latsaka anaty ranomasina io na ilay entana nafindra mihitsy.

Ka mila mailo isika Malagasy manoloana ny toe-javatra miseho toy izao satria mety ho fitaovam-piadiana na zava-mahadomelina na harenan’i Madagasikara aondrana no nifanakalozan’ireo sambo. Koa nanentana ny vahoakan’i Manakara ity solontenan’ny fitondram-panjakana ity mba ho mailo sy hitandrina manoloana ny fisian-javatra tsy fahita any an-toerana. Ary ny fisehoan-javatra toy izao no hiezahana hanehoana ny firaisankina sy hanatanterahana haingana ny Madagasikara Am-Perinasa na MAP amin’ny lafiny fampanjakàna ny fandriampahalemana eto amintsika.

Raha ireo vaovao avy amin’ny solontenan’ny fitondrana no dinihina tsara dia tsy mbola mazava ity resaka ity. Hatramin’izao dia tsy hita porofo fa basy na fahana basy no ao, na tao. Ny mapiahihahy dia mety ho fitaovana nanondranana zavatra fotsiny izy io. Marihina ihany koa fa tokana izy io fa tsy maro araka izay mety ho fieritreretana azy. Na izany na tsy izany dia « Ramalina aza mifehy hazo tokana », hoy ny fiteny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}