Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Teny zato, kabary arivo

Be ny hijapy masinina

jeudi 13 décembre 2007 | Naivo kely |  1092 visites 

Tsy ofisialy ny vokatra hambara eto, saingy azo hitarafana sahady ny mety ho tohin’ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Tsy hisy fiovana firy raha ny tarehi-marika azo tamin’ny sivy ora alina no asian-dresaka izay itarihan’ny kandida Andry TGV eto an-dRenivohitra. Raha ireo elanelan’isa kirakiraina eto am-pelatanana dia ho sarotra ny ahatratraran’i Hery Rafalimanana izay atolotry ny TIM io isa io. Nihoraka ambony ihany ireo mpankafy ity kandida ity satria tojo amin’ny tanjona niriany, ary azo hambara fa mandeha sahady ny resaka an-jorony ny toerana mendrika ao anatin’ny lamasinina TGV. « Be ny hijapy masinina », hoy ny mpitazana, ary tsy olana io saingy ny maika aloha izao dia ny fanatanterahi’ity kandida ity ireo fampanantenana nataony hampandrosoana ny tanàna. Hiova endrika ihany koa ny politika ankapobeny eto Madagasikara satria tsy olon’ny TIM no mitondra ny Renivohitra izay voakilasy tany aloha fa olon’ny mpanohitra no ao ambadiky ity kandida ity. Midika avy hatrany ve izany fa leon’ny TIM ny mponin’ Iarivo ? Mpanohitra ihany koa ve izany ny vahoaka eto, satria na dia nankalazaina aza fa mpanohitra no manohana ara-bola an’i TGV dia mbola io ihany ny vokatra voaray. Hitazana ny fomba fiasan’ny tanora i Iarivo ary heverina fa tanora ahavita azy matoa niantefan’ny safidin’ny be sy ny maro, ny famoahana ny vokatra ofisialy sisa handrasana dia hanomboka ny asa ho mendrika ity renivohitra ity, satria matoa manova dia mitady ny tsara noho n’ny teo aloha. Dia samia ho tojo amin’izay nampanantenaina e.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}