Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Kongresin’ny TIM

Be ny ho voahilika amin’ny andraikiny

vendredi 16 mai 2008 | Naivo kely |  471 visites 

Tsy takona afenina ny disadisa anatin’ny antoko TIM. Andro vitsy tsy hanombohan’ny kongresy no mbola ahitana fingampingana isan-karazany ao anatin’ity antoko ity. Endrika tsy fifampitokisana eo amin’ny samy tompon’andraikitra no hitarafana izany.

Ny tsy ampoizin’ny maro dia hatrany amin’ireo mpikirakira ny serasera sy ny fifandraisana ao anatin’ny antoko, dia toa hanjakan’io disadisa io. Samy te-ho mamy hoditra amin’ireo lehibe amboniny ny ankamaroany, ka tsy voafehy intsony ny tsiambaratelon’ny antoko. Ity kongresy andiany faha-roa ity no ahatsapana fa be ireo hovoahilika amin’ny andraikitra izay notazoniny teo aloha, ary hisy ny olona tsy ampoizina ho tafakatra amin’ny sehatra maro isan-karazany.

Ny 21 Mey izao no hanombohan’ity kongresy ity, ary mpizaika hatramin’ny 5000 no hiatrika izany, manerana ny faritra 22.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}