Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Fiverenan’ny federasiona baolina kitra

Be ny ministra tsy handray baiko intsony

vendredi 16 mai 2008 | Naivo kely |  737 visites 

Hijery baolina iraisam-pirenena indray ny gasy manomboka izao. Niverina tamin’ny toerana nilaozany ny federasiona ny baolina kitra, ary tsy hita pesipesenina ny hevitra nivoaka tetsy sy teroa taorian’ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. Resy ny fanjakana, ary hitondra henatra ho an’izay niniha nanome baiko hampandrava ity federasiona ity ny tahaka izao. Misy ny mihevitra fa azo atao toy fibaikoana ny mpiray tanindrazana ny fifehezana ny FIFA, saingy itsy farany no tsy nanaiky lembenana, dia iny niarahana nahita iny zava-nisy teto.

Resy ny ministeran’ny fanatanjahantena, ary nitondra henatra ho an’ny fanatanjahantena malagasy iny fampiatoana ny federasiona iny. Tsapan’ny maro, fa raha vao nahato tamin’ny asany ny ministra Ramiaramanana, dia efa maro no nihevitra fa hiverina amin’ny toerany ny federasiona. Hatreto dia be ny ministra tsy handray baiko intsony, sao tratran’ny toy ity niseho teo amin’ny fanatanjahantena ity. Miandry izay angovo vaovao ho entin’ireto saika very seza koa ny rehetra, satria ny volana jiona iny, dia efa hifanitsana amin’ny mpilalao avy atsy Afrika isika. Ny baolina kitra Malagasy mitohy, fa ny endrika tsy fifampitokisana ao anaty fanjakana ve hifarana hatreo ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}