Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 09h42
 

Malagasy

Mahajanga

Dr Rakotoarimanana no kandida TIM

samedi 1er décembre 2007 | Tsievhanta |  619 visites 

Mafotaka ny fampielezan-kevitra ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga. Raha ho an’ny kandida avy ao amin’ny antoko TIM dia ahitana ny Docteur Rakotoarimanana Jean Nirina izay teo amin’ny sehatry fitsaboana. Amin’izao izy milatsaka ho ben’ny tanàna izao dia lehibe ao amin’ny sampan-draharaha BMH izy nandritra ny 12 taona. Dingana maro no efa nolalovany raha teo amin’ny sehatry fampandrosoana.Raha nisy mantsy ny fanadihadiana tamina olona vitsivitsy teto an-tampon-tanànan’i Mahajanga dia nilaza ny ankamaroan’ny olona fa mila olom-baovao ity tanàna ity. Ary izay olom-baovao tiana lazaina eto izay dia ireo mbola tsy maloto ara-politika mihitsy.