Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 21h19
 

Malagasy

Fanambarana

lundi 19 janvier 2009 |  1489 visites 

Fanambarana

Manoloana ny zava-misy eto an-drenivohitra ankehitriny, dia nisy ny sahoandresaka sy fanononana, ary ny fampiasana ny anarako tetsy sy teroa.
Noho izany, dia manao izao fanambarana izao aho :

 Izaho dia nanaja tanteraka ny safidim-bahoaka taorian’ny fahareseko tamin’ny fifidianana 12 desambra 2007 farany teo

 Fanabeazana ho amin’ny fampandrosoana no nimasoako hatramin’izay, koa miangavy an’ireo izay mitady hanoso-potaka, ka minia mampiasa ny anarako amin’ny zavatra tsy mari-pototra aho mba hampitsahatra izany.

 Ary amin’ny maha olom-pirenena tsotra ahy, dia mitovy ny tanjona iombonako amin’ny mponin’Antananarivo dia ny hahasoa sy ny hahatsara ny tanàna ary ny mponina ao aminy.

Misaotra tompoko.

Antananarivo faha 13 janoary 2009