Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Teny zato, kabary arivo

Fanomezana hafahafa

mardi 8 janvier 2008 | Naivo kely |  669 visites 

Vao manomboka ny taona, dia nahazo fanomezana hafahafa ny vahoaka Malagasy. Tsy inona io fanomezana io, fa ny fiakaran’ny vidin’ny solika eto amintsika. Ekena fa mizaka io avokoa ny firenena maro eran-tany noho ny fiakaran’ny barila ho 100 dolara, kanefa inona kosa no mba aro-riaka hapetraka ho an’ny isan-tokantrano ? Ny vidim-piainana dia tsy maintsy mbola hitombo aorian’izao fiakarana izao, kanefa azo atao tsara ny misoroka fanararaotana maro isan-karazany izay miainga amintsika mianakavy ihany. Eo no ilaina ilay fanovana ny toe-tsaina tia kely izay efa miorim-paka eo amin’ny Gasy, ka raha voasoroka io, dia mety ho eo amin’ny 1% ny sondro-bidy hisy. Ny vahoaka madinika moa efa zatra ny miafy, fa mba manao ahoana kosa ny hafa ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}