Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Fandrombaham-pahefana

Fifidianana no fomba mahomby, hoy ny ALDR

mardi 11 mars 2008 | Naivo kely |  332 visites 

« Sahia misedra safidim-bahoaka ». « Na vitsy aza ny toerana nandrotsahanay olona ho fidiana ho mpanolotsaim-paritra dia sahy hisedra ny safidim-bahoaka ny ALDR. Rafitra iray misy ny antoko MFM ny ALDR. Ny MFM dia efa ela no nitaky ny hipetrahan’ny faritra 28, saingy 22 no tafapetraka. Midika io fa tafita ny hevitry ny antoko, ary rariny izahay raha miroso amin’ny fampandehanana ny faritra ». Io no nambaran’i Rakotomamonjy Pierre, izay kandida milatsaka eny amin’ny faritra Atsimondrano.

Ny tena demokrasia dia ny fankatoavana ny safidim-bahoaka, fanjakana iaraha-mitondra, ary fanjakana ifampierana sy fitsinjaram-pahefana any amin’ny faritra. Nomen’izy ireo tsiny ny mpanohitra mitaky ny rafitra tetezamita ankehitriny. « Sahia aloha misedra safidim-bahoaka vao mitaky toerana ». Nohamafisin’ireto ALDR ireto fa fifanomezan-tànana no maika fa tsy fifanonganana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}