Tonga ny fotoana handravonana ny disadisa anatiny. Ho fongorona ifotony ny poizina izay namono ny antoko nandritra ny taona maro. Nisy io matoa niongana tamin’ny fitondrana izahay, hoy ingahy Pieer Holder sekretera nasionaly eo anivon’ny AREMA.Manoloana izany, dia hanao ny kongresy andiany faha-roa ny antoko ny 9 Martsa izao. Mpikatroka manerana ny faritany mahatratra 400 no andrasana aminizany. Notsiahivina tao fa ny taona 97 no nisy kongresy voalohany rehefa niverina teo amin’ny fitondrana ingahy Ratsiraka, ary izao indray ny faharoa. Tianay hampetraka ny hoe manao ahoana ny herinay, raha toa ka tsy eo amin’ny fitondrana intsony no manao itony kongresy lehibe itony ? Tsy ho diso anjara amin’io ny fijerena ny raharaham-pirenena izay misy ankehitriny. Ao anatin’ny fotoan-tsarotra ny vahoaka hoy ny AREMA ary nanao fampitaha ny vidim-piainana fony ry zareo teo amin’ny fitondrana, sy ny ankehitriny. Aoka ho lesona amin’ny mpitondra ankehitriny ny fiongananay tamin’ny 2002 ireny, ka mba ahaizana mihaino ny feom-bahoaka.
Kongresin’ny AREMA
Handravina ny disadisa
samedi 1er mars 2008 |
| 450 visites