Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 21h19
 

Malagasy

Endrim-panoherana eto an-dRenivohitra

Handray ny andraikiny ny fanjakana

lundi 19 janvier 2009 | Naivo kely |  1584 visites 

Inona no hitranga ? Samy maminavina ny mety ho tohiny isika, satria tsy fitakiana fe fitakiana no ataon’ny mpanohitra, fa efa fanonganam-panjakana. Ny antony dia ireo fitakiana maro tsy maintsy ho tanterahin’ny fanjakana amin’ity herinandro ity.

Ny fanjakana efa nampitandrina ireo minia manakorontana, indrindra ireo mianan-kendry amin’ny fanonganam-panjakana isan-karazany. Nipoitra iny ny hevitry ny ben’ny tanàna, ary heno fa handray ny andraikiny tandrify azy ny fanjakana. Tsy hiteny izahay hoe fisamborana, fa ny fitandroana ny tsy hiverenan’ny toy ny tamin’ny taona 2002 ireny no ataony. Hisy filan-kevitry ny minisitra amin’izao fiandohan’ny herinandro izao, izay hivoaka ao ny fepetra apetraka hisoroana ny korontana eto. Ny filoha Ravalomanana ihany koa efa nampitandrina ombieny, amin’izay miniha mioam-pefy.

Miara-miaky ny rehetra, fa tsy nisy korontana ny sabotsy teo, nefa ny trambo mandady eny foana. Mbola hisy fifampidinihana ho vita ihany ve eto manoloana izao afo efa midodaka izao ? Tamin’ny ora farany, omaly dia re fa nalaina teny Ambohimitsimbina ny “émetteur TV” an’i VIVA, ary niantso ny andrimasom-pokonolona i Andry Rajoelina hiaro ny “station VIVA” etsy Ankorondrano.