Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 15h35
 

Malagasy

Taratasin’ny mpamaky

Haron-tabebaka

mercredi 16 juillet 2008 |  725 visites 

Manintona vahiny maro ny fandehanana any Madagasikara amin’ny fotoam-pialan-tsasatra toy izao. Mampiaiky ireo namana maro ifanerasarana aty am-pita aty ny zavatra hitany any amintsika :

 betsaka ary maro karazana ny zava-mahaliana sy tian-ko tsidihana, ny fotoana no tsy ampy matetika !
 mahatsiaro tena ho mpanefoefo tampoka rehefa atakalo vola gasy ny vola vahiny !
 aminy dia mora be ny zava-drehetra (nefa koa fantany fa lafo be ho an’ny fahefa-mividin’ny Malagasy) : fitaterana, hôtely, sakafo ; anaranam-po ny fihinanana « filet, langoustes, crevettes » tsy takatry ny volany aty an-dafy ; ambonin’izany ny sakafo dia tsy nialina andro maro tany anaty fitehirizana fa tena vao, ka hafa tsiro mihitsy !
 ary indrindra, tsy mba mihafahafa ny Malagasy, tia mandray sy mitafa amin’ny vahiny ary mizara izay kely ananany, mampandroso an-trano mazàna ny any ambanivohitra, na afovoan-tany izany na amorontsiraka !

Mampientana azy ireny tokoa ny tanànan’Antananarivo : tokana aman-tany, miavaka tanteraka amin’ireo renivohitra afirikanina efa notsidihany, satria manana ny maha izy azy, na izy vao hita avy eny amin’ny « route-digue », na tazanina avy eny an-tampon-kavoana amin’ilay mahatsara vahiny iny ny lemak’i Betsimitatatra !

Ny « indro kely » anefa, hoy ireo namana, dia azo tsapain-tanana ary hitan’ny maso ny fahantrana mianjady amin’ny ankamaroan’ny mponina. Tsara tarehy ny arabe, toa mihabetsaka koa ny trano avo be sy ny « villa de luxe » miorina, madiodioa avokoa ny làlana heverina fa hitsangantsanganan’ny mpizaha tany. Fa rehefa itsofohana ny aty tanàna, dia mivangongo ny fako, mihandrona ny rano maloto, manentoento ny fofona maimbo, milalao anaty fotaka ny zaza madinika marobe misaringom-boro-damba na miboridana, be kibon’ny kankana ary mpakalelon’ny sery ririnina !

Mampangotika ny aty fony ny fitangoron’ny ankizy amin’izay vazaha rehetra mandalo, mangataka vola kely, na ny mofo saika harapaka aza toa mahakenda, mahita ireo tànana mitsotra sy ireo maso miangavy ! Hanome, toa tsy hahavaha ny olana, tsy hanome toa mandatsa…

Ny namako akaiky maromaro aza moa dia nivaky mihitsy fa mibaribary loatra ny hantsana manelanelana ny mpanankarena sy ny mahantra ka tena tsy zakan’ny sainy !

Handray ny fivoriana faratampon’ny Firaisana afirikanina i Madagasikara amin’ny taona iry. Izay no fanamby mahamaika ny filoha ka iantsoana fanampiana sy isamboram-bola eran’ny vazan-tany, hanampy trotraka ny trosa tambaben’ny firenena. Efa tafajoro ny tranobe hivoriana, hiitatra ny seranam-piara-manidina, eo am-panorenana ireo trano tsara tarehy handraisam-bahiny, hiverina ho tsara tarehy indray izay rehetra manamorona ny làlana hivezivezen’ny vahiny ambony laharana sy ny mpanaraka azy isan’ambaratonga. Tsy misy hitondra azy hitsangantsangana ao afovoan’Isotry na ao Antohomadinika....

Fara Manajandry (14 jolay 2008)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}