Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Teny zato, kabary arivo

Hazo fijaliana

lundi 7 janvier 2008 | Naivo kely |  738 visites 

Vao manomboka ny taona dia efa zava-doza no miandry ny mponina eto an-drenivohitra amin’ny fanampahan-kevitra noraisin’ny Jirama nanapaka ny rano sy ny jiro amin’ireo toeram-panjakana rehetra tsy nahefa izany, ka isan’io ny paompim-panjakana sy ny sekolim-panjakana eto amin’ny tanàna. Tsy hitanisa ny taona sy ny volana voalaza fa nandoavana izany vola izany izahay fa ny voalaza dia efa nandefa taratasy fampilazana mialoha ny Jirama ho fitakiana io vola io. Ho an’ny mpandinika dia hizaka ny hazo fijaliana ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina manomboka eto, satria ankoatra ny trosa be miavosa izay lovaina mahatratra 40 miliara, dia io hiarahana mahita io indray ny hafitsoky ny Jirama. Mijaly ny mponina satria ny faritra iva izay mba manana lava-drano, dia tsy afaka misotro io noho ny fiakaran’ny ranon’orana ka nifangaro ny rano maloto sy ny madio. Ny trano fianarana dia mety hiteraka aretina ny tsy fandehanan’ny rano any amin’ny « wc » ka ireo zaza madinika any amin’ny EPP indray no ho voa amin’io. Ny fampandrosoana no tetika ho atao, saingy toa hoditra akondro ho an’ingahy ben’ny tanàna ny tahaka izao ? Hiverina ihany koa ve raha toy izao ny fakana vola amin’ny paompim-panjakana rehefa tsy voalohan’ny kaominina ny volan’ny Jirama ? Ho an’ny mpandinika dia toa fihatsiana korotana atao amin’ny vahoaka eto -an-drenivohitra ny fingana lava miseho eto, koa aoka mba samy hitandrina isika mba tsy hiverenan’ny trangan-javatra toy ny taloha intsony, ary mino isika fa manana ny tetik’adiny ity Ben’ny tanàna vaovao ity, ka tsy ho solafaka an-dàlana fa ahay hiray hina ny rehetra hanampy azy, mba tsy aha-potika izany renivohitra izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}