Ela ny ela, tapa-kevitra ny hanohana an’i Pety ireo tanora ao Fianarantsoa. Tsy handeha irery izy ireo fa hisy mpanao politika hiara-dalana aminy.
Fitakiana ny hamoahana an’i Pety no anton’io, araky ny vaovao fantatra, ary tsy hisy resaka fanonganam-panjakana. Efatra no antony, dia ny filazana fa antony Politika no nanagadrana an’i Pety Rakotoniaina. Voalaza fa raha resaka firaisana tsikombakomba no nanomezana azy sazy 10 taona, nefa ny olona nahafaty olona toa latsak’io ny saziny. Eo ihany koa ny fahitana, fa vao niala ho ben’ny tanàna izy dia maloto sy tsy hita taratra intsony ny tanàna ao Fianarantsoa. Tsy misy intsony ny fandriampahalemana ao Ikalamavony, satria izy no nampanjakana izany sy nampita ny fitandrona ny fandriampahalemana any an-toerana. Mialohan’ny datin’ny 26 Jiona izao no heno fa hanaovana ity hetsika ity. Tao anatin’ny nahatratrarana an’i Pety Rakotoniaina, ka nanagadrana azy, dia sambany izany izao vao nandrenesana hetsika ho fitakiana ny hamoahana azy. Hanaiky mora izany ve nefa ny mpitondra ao Fianarantsoa ?