Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 08h36
 

Malagasy

ANS Ampefiloha : Sekolin’ny baolina kitra

Hiditra anio ireo mpianatra

mercredi 5 décembre 2007 | Hery A. |  392 visites 

Anio faha 5 desambra no miditra ny mpianatra ao amin’ny sekolin’ny baolina kitra ao amin’ny ANS « Académie de sport » ao Ampefiloha izay handraisana mpianatra 7 taona hatramin’ny 15 taona izay hiantsoan’ireo tompon’andraikitra ny ray aman-dreny eto an-drenivohitra hampiditra ny zanany ao. Tsotra ny tanjona dia ny tsy hironan’ny ankizy amin’ny zava-mahadomelina rehefa tonga eo amin’ny fahatanorany, ary ho fitaizana ara-tsaina sy ara-batana rahateo. Atoa Hery sy Kelly ary i Mika Andrianasy, kintan’ny baolina kitra eto Madagasikara no mpanabe izay hiara-hiasa matotra amin’ny FRAM. Misy ny mari-pahaizana ankatoavin’ny fanjakana aorian’ny fahavitan’ny fianarana ary efa mikarakara ny « club » ho vantanin’ireto ankizy ireto ny FRAM. Isaky ny alarobia hariva sy sabotsy no fianarana ka ho an’izay liana dia mbola misy ny toerana ka afaka manatona ao amin’ny ANS, varavarana faha 7. Nanamarika moa ireo tompon’andraikitra fa mitohy hatrany ny fandraisana ireo mpianatra vaovao.