Omaly no nigadona teto an-tanindrazana ny ekipam-pirenena Malagasy. Ny taranja baolina kitra io, rehefa avy nanao ady sahala tamin’ny Botswana ny sabotsy teo. Tsy nahataitra ny maro ny fandrenesana io ady sahala io, satria heno fa nanjakan’ny mpampian-trano tanteraka ny kianja nandritra ny lalao mandroso. Misy tombony ho antsika ny lalao miverina, saingy mila hamafisina haingana ny teknika sy ny fahaiza-miaraka eny ambony kianja. Omena fanampiana Ar 400.000 isan’olona ireto mpilalao ireto tamin’iny ady sahala iny, ary raha mandresy, dia mitombo hatrany ny vola. Fa naninona no tsy natao hatramin’izay izao fanohanana izao ? Ny alahady ho avy izao, dia hifantoka tanteraka etsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina ny sain’ny mpitia baolina kitra. Hihaona amin-dry zareo Ivorianina isika tafiditra ao anatin’ny CAN sy Mondialy 2012. Taorian’ny fahatongavan’ny Barea ireto dia hiakatra etsy Mahamasina izy ireo hanazatra tena.
Baolina kitra Malagasy
Hifantoka etsy Mahamasina indray ny mpijery
mercredi 4 juin 2008 |
| 543 visites