Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Dokotera Manan’Ignace

Hiomana handray fahefana

mardi 29 avril 2008 | Naivo kely |  998 visites 

Tsy ny tsikera lava no afahana mampandroso ny firenena, fa ny fiomanana handray fahefana. Diso ireo mihevitra fa hidina andalam-be ka eny no handraisana ny fitondrana. Niarahantsika nahita ny fahavoazana nihantra tamin’ny firenena raha tsy hiteny afa-tsy ny raharaha 2002. Mbola izany ve no averina eto ? Tsia avy hatrany ny valiny hoy ny dokotera Manan’Ignace tao amin’ny Aceem Radio ny alahady antoandro teo.

Nihaiky izy fa isan’ny nanohana ny fitondrana hiakatra teo amin’ny fitrondrana nandritra ny tolom-bahoaka farany teo ireny, saingy rehefa hita fa tsy mitondra ny tombontsoam-bahoaka marina, dia aleo manova. Nampahatsiaviny ny fivoriana tamin’ny taona 1958 nataon’ny antoko miisa 10 tany Toamasina, izay nilazan’ny rehetra fa mila arodana izay fahavalom-bahoaka. Mila miray hina isika ankehitriny hoy ihany ity dokotera ity, satria efa anatin’ny haizina tanteraka ny firenena. Ny nanaitra ny rehetra, dia fiomanana tahaky ny ahoana no atao ? Iarahana mahalala fa tsy sahy miatrika fifidianana ny mpanohitra, ary tsy mankasitraka ny hetsika andalam-be ihany koa anefa ity filohan’ny fikambanana Manaovasoa ity. Sa miandry tolorana fotsiny tahaka ireo senatera 11 vao nomena ny seza ho etsy Anosy kely ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}