Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 21h19
 

Malagasy

Faha-72 taonan’i Didier Ratsiraka

Ho lasan’ny vazaha manontolo i Madagasikara

lundi 5 novembre 2007 | Hery A. |  11322 visites 

Feno 72 taona omaly alahady faha 4 novambra ny filoham-pirenena teo aloha atoa Ratsiraka Didier ka toy ny isan-taona dia mankalaza izany ny antoko AREMA noforoniny. Teny Anosizato, biraon’ny Arema firaisana faha 4 no nanaovana ny lanonana rehefa nahazo alalana tamin’ity filoha teo aloha ity. Atoa Ange Andrianarisoa, sekretera nasionaly vonjimaika an’ity antoko ity no nitarika ny fotoana ka ankoatry ny fiaraha-mikoranan’ireo mpikambana dia nisy ny dinidinika mahakasika ny fiainam-pirenena ny tolakandro, niarahan’ireo « college nationale » sy ireo mpitarika ny antoko isaky ny fokontany. Miharatsy ny toe-draharaha eto amin’ny firenena hoy ity antoko ity satria mihazakazaka amin’ireo fifidianana handrombahana firenena ny mpitondra ankehitriny, izay manakisaka ny firenena ho an’ny vahiny. Mitana ny heviny hatramin’ny farany ny antoko Arema ka tsy handray anjara amin’ny fifidianana raha tsy madio ny rivotra politika eto Madagasikara. Nisy moa ny varavarana misokatra nampirantiana ny tantaran’ny filoham-pirenena teo aloha.