« Fanohizana ny asam-bahoaka, ho an’ny vahoaka ». Mandalo ny olana ara-tsakafo izao tontolo izao, ary isan’izany i Madagasikara. « Tsy mbola hita loatra ny fiantraikan’izany eto amintsika, hoy ny depiote voafidy any Soavinandriana, Randriatolojanahary Roger. Na izany aza, ilaina ny fiomanana sy manatsara ny vokatra mba tsy ho tampoka ny fahatongavany ».
Mpandraharaha ihany koa ny solombavambahoaka, ary vonona ny hiasa ho an’ny vahoaka hatrany. « Politikam-panjakana ny fitadiavana karazan-tsakafo hafa, mba tsy hianteherana loatra amin’ny vary. Isan’izany ny mofo. »
Herinandro izao no nisokatra ny orinasa fanaova-mofo voalohany ao amin’ny Faritra Itasy, izay ahitana mponina miisa 1.500.000. « Nifanandrify indrindra tamin’ny Tsenaben’i Soavinandriana « Fanamby » ny fisokafanay, hoy Randriatolojanahary Roger, ka nahamora ny fahafantaran’ny vahoaka fa manomboka izao dia azony antoka ny fahitana mofo isan’andro ». Na izany aza, mbola tsy maharaka aloha ny vokatra, na dia mofo 3.000 isan’andro aza no vita.
« Mbola ho an’ny tanànan’i Soavinandriana no nanombohana azy, fa ho rakotray atsy ho atsy ny Faritra manontolo. » Toy ny any Ampefy, Analavory, Arivonimamo ary Miarinarivo. « Niezaka ihany koa izahay ny tsy iantehatra amin’ny Jirama, satria dia manana « groupe » iasana raha sanatria ka misy ny delestazy ».
Nangonin’i R. Volana A.