Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 21h19
 

Malagasy

Dian’ny filoha Ravalomanana tany ivelany

Homamiadana ny fery tsy sitrana 5 taona

mardi 18 novembre 2008 | Penjy R. |  1541 visites 

Tonga avy any ivelany indrayny filoha Ravalomanana. Tsara ny diha hoy izy, ary maro ny firenena vahiny vonona hanampy an’i Madagasikara. Hiatrika ny loa-bary an-dasy etsy avoloha isika hoy ny filoha Ravalomanana, ka anjaran’ny rehetra ny mandinika sy mandritra ny asa tokony hanarenana ny firenena.
Nomeny tsiny kosa ny fandrenesana ny tsy handraisan’ny mpanohitra anjara amin’ny laha-dinika manomboka anio eny Iavoloha. Toy izany koa ny momba ny lonilony misy eo amin’ny mpanohitra momba ny raharaha 2002 ireny. Fery tsy sitrana toy izay, efa homamiadana hoy izy. Maniry ny hifanomezan’ny rehetra tanana amin’ny fampandrosoa ny firenena ny filoha Ravalomanana.