Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Fisamborana tao Fianarantsoa

Hotsaraina anio ireo mpanao politika nogadraina

jeudi 3 juillet 2008 | Naivo kely |  501 visites 

Ho vory lanona ao Fianarantsoa anio ny mpanohitra any an-toerana. Hiaino ny valin’ny fitsarana an’i Simon Cyriaque sy i Jules Roger avy eo anivon’ny « Tambatra » sy ny « Masters » any an-toerana izy ireo.

Fikasana hanongam-panjakana no antony hiampangana azy roa lahy ireto. Mialohan’ny fetin’ny Fahaleovantena teo no nisamborana azy, ka nampidirana avy hatrany any am-ponja rehefa nandalo teo anoloan’ny Fampanoavana ao Fianarantsoa. Mifanohitra amin’io kosa no nambaran’ny mpanao politika any an-tanàna, satria tsy nisy velively izany fikasana hanogam-panjakana izany. Ny mpanohitra nivory matetika tany, izay nikasa ny hanao fihaonamben’ny Tambatra no antony nivoriana. Mifamahofaho be ihany ity raharaha ity, satria ny herinandro teo no tokony hivoaka ny didy navoakan’ny fitsarana, dia io nahemotra anio io. Miandry ny vokany isika, fa ny heno aloha dia hanotrona ity fitsarana anio ity ireo namany rehetra ao Fianarantsoa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}