Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 22h16
 

Malagasy

Ny fahasalamanao

Hoy i dokotera Onisoa Rindra Ralidera

lundi 2 juin 2008 |  7484 visites 

Manomboka anio ary isaky ny alatsinainy dia hitafa aminao mikasika ny fahasalamana i dokotera ato amin’i Madagasikara Tribune. Ataony amin’ny teny malagasy mba ho tena tsy mialonjafy.

Mihanoka tanteraka ao anatin’ny vaninandro ririnina isika izao. Mety hivoaka na hiseho aminao na ao an-tokantranonao ny aretina isan-karazany mifandraika amin’izany vaninandro ririnina izany. Ho resahako anao ary ireo karazana aretina atao hoe « allergies » izay mateti-pitranga amin’ny ririnina.

Anio dia ny « rhinite allergique » no hanombohana azy.

Azo avy amin’ny fifampikasohana amin’ny
« allergènes » izy ireo. Misy karazany roa izy io ka misy ny atao hoe « rhinite saisonnière ». Araka ny anarany dia miseho rehefa miova toetr’andro ; ny faharoa dia « rhinite perannuelle » na mandava-taona ; miseho noho ny fifampikasohana amin’ny « allergènes » manodidina (ohatra : biby, volom-biby, tapis, vovoka…).

Ny fisehoan’io aretina « rhinite allergique » io kosa dia avy amin’ny
alalan’ny lelo be (1), mievona lava, mangidihidy be ny orona ary maso mena na marary (conjonctivite).

Fa raha toa ka miampy orona tsentsina na « sinusite » (maheno fofona maimbo any anaty orona ary marary ny an-doha) dia efa tsy « sinusite allergique » izany.

Raha miseho aminao io aretina « sinusite allergique » io dia fadio ny mihinankinana fanafody (na ilay atao mahazatra hoe automédication) fa ny tsara dia mankany amin’ny dokotera fa izy irery ihany no afaka manome fanafody sahaza ho an’ny aretinao satria ny « allergie » dia mila fikarakarana manokana eo amin’ny fitsaboana azy (2) ary ny fanaovana tsirambina izany dia mety hitarika fahasarotana aoriana kely ao.

Ny tena tsara hatrany dia manantona mpitsabo.

Horesahantsika manaraka ny momba ny « eczéma » na tandimerina.
« Mirary fahasalamana ary e ! »

Dokotera Onisoa
Rindra RALIDERA
0331155789

 (1) lelo be fotsy sy matsora
 (2) mila fantarina manko ny « allergène », ny antony ary dia miankina amin’izay ny fitsaboana

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}