Mateti-pihavy ny loza voajanahary eto Madagasikara, satria nosy isika. Ny vanim-potoana toy izao mazana no tena famelezan’ny sikilaonina, ary tanàna maro no rava ao anatin’ny indray mipi-maso. Ny manarina ny fahavoazana kosa anefa tsy vita iray volana. Hita sy tsapa ireo amin’ny ezaka ataon’ny mponina sy ny fanjakana taorian’ny rivo-doza « Fame » teo. Dia hanarina ny voka-dratsin’i « Ivan » indray izany, na dia hita fa mbola tsy mikatona aza ny fery navelan’ny teo aloha. Ny fifidianana anefa dia manakaiky izay hatao amin’ny 16 martsa izao. Manana risi-po handeha hanefa ny adidiny ve ny vahoaka manoloana ny fahavoazana mahazo azy ? Injay ilay feo milaza fa tokony ahemotra ny fifidianana hoy ny hafa, satria tsy voakajin’ny mpitondra ve fa vanim-potoanan’ny sikilaona ny volana martsa toy izao ? Dia ho hita eo, fa tsy maintsy hisy ny famerezan-jo ny mpifidy tsy fidiny, satria aleony manarina toy izay hifidy.
Injay ilay feo
mardi 19 février 2008 |
| 351 visites