Voazara ny toerana anaty andrim-panjakana, hanomboka ny asa. Hita fa dia tafapetraka amin’ny andrim-panjakana samihafa ireo lohan’ny mpisorona ao anaty TIM. Olona heverina fa afaka hampandroso ny firenena ireo matoa napetraky ny filoha Ravalomanana amin’ireo andraikitra maro samihafa ireo. Olona manana ny fahaiza-manao ihany koa fa tsy sanatria mpanao politika mpitarika olona hidina an-dalambe.
Hifantoka tanteraka any amin’ny raharaham-panjakana ireto olon’ny TIM nahazo toerana ireto, ary eo no hifantohan’ny sain’ny mpanara-baovao momba io antoko io. Iza no hifehy ny TIM ? Ny Praiministra Rabemanajara izay birao politika, dia manana andraikitra lehibe tsy azo hialany, satria ministra misahana ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana izy no mbola Praiministra. Ny filohan’ny TIM Ivan Andriasandratriniony, izay mety ho filohan’ny antenimieran-doholona dia hifantoka tanteraka any amin’io andrim-panjakana io ny asa izay ho sahaniny raha lanin’ny loholona hitantana an’ io ny tenany. Ingahy Ivohasina Razafimahefa izay isan’ny olona mahatoky ny filoha, ary manana tanora maro mpanaradiha azy, izy ve afaka hitantanana ity antoko ity ?
Andraikitra tsy azo ialàna anefa ny fitondrana ny antoko, indrindra fa hiatrika ny kongresiny ato ho ato izy ireo. Ny raharaham-panjakana sy ny antoko anefa tsy azo afangaro. Maika ny asa hoy ny filoha Ravalomanana, mbola hanana herijika aty amin’ny antoko ve izy ireo ? Manana tanora vonona hampandeha ny antoko ny TIM ka ho hita eo ny fahavononana sy ny to-teny ao anatin’io antoko izay afaka mametraka rafitra eny anivon’ny fototra. Indrindra fa ny TIM no mitondra ny tany sy ny firenena.