Raha ny kabary tsara lahatra dia haintsika Malagasy fa raha ny hitan’ny maso kosa dia toa ny mifanohitra amin’io no hita. Izay no zava-misy tsy azo lavina raha haka ohatra akaiky etsy Andralanitra ny lahatsoratra androany. Hianaka tsy ho ela eny amin’io faritra io sy ny manodidina ny valan’aretina kolera (« choléra ») raha izao no mitohy, noho ny hafitsoky ny lalitra mitondra otrik’aretina goavana ho an’ireo vahoaka monina eny sy ny manodidina. Toa tsy misy handrenesam-peo ny mety hisorohana ny loza ny rehetra, fa nahoana ? Tsarovy fa aretina mandripaka haingana noho ny Sida ny kolera, kanefa ny aretina azo avy amin’ny fahafinaretan’ny nofo dia handaniana vola be fa ny fisorohana ny fahadiovana toy ny etsy Andralanitra tsy misy mpiteny. Sa hiandrasana aina hafoy vao hisy hietsika ? Mahamenatra raha tany an-dàlampandrosoana toa i Madagasikara no mbola ahafantarana fa raha vao misokatra ny vava dia efa lalitra aman-jatony no miditra ao. Izao ve no tany mandroso ? Rehefa mikabary isika dia tsara sy mirindra avokoa no hita fa rehefa mijery ifotony ny tena zava-misy dia ny mifanohitra amin’izany no hita. Sa hiandrasana fanampiana any amin’ny mpamatsy vola toy ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirim-bola iraisam-pirenena koa ny mandraraka fanafody famonoana lalitra io toerana mety hitera-doza ho an’ny Malagasy io ? Aiza ilay fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny fanjakana hanadiovana haingana itony faritra itony ?
Mino anefa isika fa tsy ho raraka an-tany itony antso avo itony, mba tsy hifanomezan-tsiny indray ao afara ao.