Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Teny zato, kabary arivo

Izay nitady dia nahita

mercredi 9 janvier 2008 | Naivo kely |  944 visites 

Enin-taona lasa izay no nitadiavan’ny Malagasy tsy vaky volo fiovana teto amin’ny tany sy ny fanjakana, ka dia nahita na ny soa na ny ratsy. Ny soa aloha no andeha tanisaina satria dia nahita io fiovana isika rehetra. Vita ny làlana mampitohy ny faritra maro tany amin’ny faritany, toy ny tany amin’ny faritry SAVA.

Teo ihany koa ny fahavitan’ny làlana teny an-tampon’Ihorombe izay tsy vita hatramin’izay. Ny lalana tetsy Anosibe sy ny tsena maro ary ny fiantsonan’ny fiara mpitatitra olona. Ireo no hita maso fa ny mangidy kosa tao anatin’izay enin-taona izay, dia ny solika novidiana 400 ariary ny litatra dia lasa 2400 ny litatra ankehitriny. Ny vary 350 ny kilao efa vidiana 1800 kilao ankehitriny. Ny menaka 800 ny litatra efa 4000 ariary izany izao taona vaovao izao.

Ny hofan-trano dia efa tafakatra 200%, ary tsy mahita izany trano hofaina roa alina ariary intsony ianao, raha tsy hoe trano fotaka angaha. Ohatrinona ny karama noraisinao ny taona 2002, ary amin’izao io niakatra ohatrinona ?

Nitolona ho amin’ny fiovana isika ka izay nitady dia nahita, ary ireo voatanisa ireo ny ampahany ratsy sy ny tsara tamin’izay tolona izay. Dia mba nanao ahoana ny fiainanao nandritra izay enin-taona izay ? Anjaranao ny mieritreritra ny fiovana notakianao tamin’izany sy ny ankehitrio.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}