Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Vavahadin’i Madagasikara

Izay vao tena hiova endrika Ivato

lundi 30 juin 2008 | Naivo kely |  663 visites 

Tsy ho faralahin’ny kaominina intsony Ivato. Io no sento tokana nataon’ireo vahoaka maro be raha nahita ireo olom-panjakana maro ny asabotsy maraina teo, izay notarihan’ny Praiministra lehiben’ny Governemanta Charles Rabemananjara. Nametraka ny vato fototra ho fanombohan’ny asa ho fanitarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato seranana.

Ny fanitarana ny « Piste » hidinanan’ny fiaramanidina sy ny làlana eny an-toerana no natao. Fiaraha-miasa amin’ny Japon sy ny Adema no ahavitana ao anatin’ny volana vitsy ity asa ity. Heverina fa hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny firoboroboan’ny lafiny ara-toekarena ity asa ity rehefa vita satria hitombo ireo fiaramanidina ho avy eto. Hiova endrika Ivato seranana sy Ivato Firaisana, ary ireo faritra manodidinana amin’ireo asa maro ho vitaina eny hatramin’ny taona ho avy iny. Ny fanitarana ny làlana ihany koa dia hita fa efa tafahala tamin’ny trano nonenany avokoa ireo zandary sy olon-tsotra voakasiky ity fandravana trano eny Ivato ity.

Etsy ankilan’ireo, dia fantatra fa hajoro eny an-tanàna ihany koa ny Lycée izay tsy mba hita teny hatramin’izay. Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny kaominina io, ary ny fanadiovana ifotony, dia ho vita tsy ho ela. Ny tsena, dia efa eo andalam-pikarakarana azy ingahy ben’ny tanàna ao Ivato, ary izay no hilazana fa hiova endrika ao anatin’ny taona vitsy ity toerana, izay nampikolay ny maro hatramin’izay ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}