Dia re tao anatin’ny kabarin’ny filoham-pirenena omaly teny Iavoloha indray ny fanazavana fa ny 75% ny Malagasy dia miaina ao anatin’ny fahantrana, ary mazana ireo tantsaha maro an’isa no voa amin’io. Mila hatsaraina ny toe-tsaina, fa raha tsy miova io dia tsy misy fampandrosoana ho vanona. Tanora 65% no afaka hiasa eto hoy ny filoha omaly . Maro an’isa ireo tanora ireo, ka izay no tsy maintsy ilàna fiheverana haingana mba tsy hidonanam-poana fa hamokatra ho an’ny tanindrazana. Niompana betsaka amin’ny fanampiana ny tontolo ambanivohitra iny kabary omaly iny, ary teo vao tsapa fa kabary mahakivy no heno, raha mitanisa hatrany ny fahoriana mahazo ny mpiray tanindrazana ka ilàna fanarenana haingana, mba ho foana io fahantrana io. Firy taona izay ny mpitondra nifandimby teto no nilaza tarehi-marika manambara fa 75% dia miaina ao anatin’ny fahasahiranana foana ? Samy nanambara koa anefa fa miakatra hatrany amin’ny 6,5% ny harin-karena faobe ireo mpitondra ireo, nefa mbola tafajanona eo amin’ny isa voalaza etsy ambony hatrany ny isan’ny olona sahirana eto amintsika. Soa aloha fa mahavelom-bolo hatrany ny mandre ireo ezaka napetraky ny mpitondra hampihenana ny fahantrana, indrindra fa manomboka ity taona 2008 ity. Hanana risim-po hiara-mientana amin’ny ady amin’ny fahantrana ve anefa ny vahoaka ? Mazana dia tanteraka ilay teny hoe miasa tsara, dia miasa mafy, saingy toa 10% monja no valin-kasasarana nitombo amin’izay asa mafy izay. Ny famokarana no loha-laharana amin’ny ady amin’ny fahantrana, koa omeo hery ireo tantsaha maro an’isa mba tsy ho sodokan’ny rendrarendra tahaka ny mponina a-ndrenivohitra, fa raha ireo no mitsoaka amin’ny fambolena sy fiompiana, dia inona intsony ny amintsika.
Naivo kely
Kabary mahakivy
samedi 5 janvier 2008 |
| 1227 visites