Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 17h14
 

Malagasy

Lalam-pirenena faha-roa

Kamiao sy fiara kely nifanosika tao anaty tetezana

lundi 4 août 2008 |  2530 visites 
Efa ho tafavoaka ny tetezana ity fiara kely ity no nodomin’ilay kamiao hiverina.

Tsy nisy alaharo fa dia aleo hifanatrika na dia tetezana aza. Izany angamba no tao an-tsain’ity mpamily kamiao avy any Moramanga raha niditra ny fiolanana iray izay mialoha ny tetezana. Na dia efa tao anatin’izany tetezana izany aza ny fiara kely iray dia tsy nijanona na tsy afaka nijanona ity fiara be mpitatitra entana. Vokany, nitranga ny loza. Potika tanteraka ny lohan’ilay fiarakely izay tafasitrika tao ambanin’ilay kamiao.

« Maro tokoa ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny raha ny hitanay omaly zoma faha 01 aogositra !Saika kamiao mpitatitra entana avokoa izy ireo ary anisan’ny niharan’ny tsy fitandreman’ireo kamiao ireo ny tenako ». Izany no fitarainan’ny mpampiasa iny lalam-pirenena faha-2 iny. Azony sary daholo ny fandehan-javatra.

Nihemotra 7 metatra

Raha nisy kely dia mafy ny nanjo ny mpamilin’ilay fiara kely.

Tamin’ny mitatao vovonana tokony ho tamin’ny iray ora latsaka kely no,niditra ny tetezan’ny Mangoro ny fiara kely Nissan Primera raha avy aty an-drenivohitra. Nony ho tafita ny tetezana anefa izy, dia indro kamiao Renault Turbo feno hazo « madrier » no niramarama avy any ampita (avy any Moramanga), izay sady fiolahana, raha handeha hiditra ny tetezana.

Tokony hijanona ity kamiao nefa tsy nanao izany fa niditra ny tetezana ihany. Hany herin’ilay nitondra ny fiara kely dia nijanona sy niandry izay higadonany sisa. Tsy maintsy niseho ny fifandonana izay mafy dia mafy tokoa tao anaty tetezana, ary dia natosik’ilay kamiao niverina 7 metatra mahery ilay fiara kely vao tafajanona ilay kamiao

Tsy nisy aina nafoy fa ramatoa iray ihany no naratra sy tohina mafy tamin’ny loza. Nioritra noho ny fifandonana ny lamosin’ilay mpamily ilay fiara kely ary mpandeha iray no naratra kely (ratra madinika) teo amin’ny lohalika. Samy afaka nody tany amin’ny fianakaviana rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza tao amin’ny hoptaly Moramanga izy rehetra.

Famonoana ankitsirano

Marihina fa olona dimy no tao anaty fiara saingy ny zaza 8 taona sy ny rainy dia tsy naninona

Fehiny : Loza niseho noho ny tsy fitandremana teo amin’ny mpamily ilay kamiao ary miendrika famonoana ankitsirano. Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro filaminana ao Moramanga ny fanadihadiana.

Nangonin’I Raw

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}