Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 10h54
 

Malagasy

Fifidianana 16 martsa

Kandidam-paritra no betsaka

vendredi 29 février 2008 | Naivo kely |  334 visites 

Raikitra ny fifaninana hiakarana eo ambony seza. Tsy seza toy ny fahita eny an-tsena, fa seza hitoeran’ireo te handray ny fahefan’ny mpanolon-tsaim-paritra eto Madagasikara ny 16 martsa izao.

« Vonona izahay ato anatin’ny antoko TIM », hoy ireo birao politika sy ny mpikambana ao aminy. « Izahay irery no mahafeno ny distrika rehetra manerana an’i Madagasikara. Ny hafa kosa toa kandidam-paritra no betsaka ». « Porofo ireo », hoy ny avy eo anivon’ity antoko ity, « fa vonona hiatrika ny fampandrosoana ny antoko ». Raha atao tomba-maso kosa anefa, dia misy raha tsy manjary ao, hoy ny mpitazana. 170 no isan’ny antoko Politika eto Madagasikara, saingy toa zara raha nisy nirotsaka izy ireo. Ny fikambana tsotra no betsaka. Tsy mbola tafapetraka eto anefa ny antoko ankavia sy ankavanana izay hany mba mpifaninana any amin’ny tany mandroso, nefa dia toa manome endrika izany ny fahavitsian’ny mpifaninana eto.

Ny kandida hifaninana ve no tsy misy, sa ny fanatanterahina ny latsa-bato no mampalailay fonosana ny maro ? Isika rehetra no miara-mamantatra izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}