Tsy hiemotra amin’ny fanapahan-kevitra noraisiko aho. Io no setrin’ny fitakiana nataon’ny mpanohitra maromaro, izay nilaza fa tokony ahemotra ny fivoriana ataon’ireo filoham-panjakana aty amintsika ny volana jolay taona 2009 izao. Ny fahatongavan’ny vahiny tahaka izao no hahafahana manangana fotodrafitr’asa maro ho an’ny firenena. Noraisiny ohatra tamin’izany ny fihazakazaky ny firenena ny hanaovana ny mondialy eo amin’ny baolina kitra ao aminy. Ny mpandraharaha manao ny trano efa vonona ary toy izany koa ny fanjakana. Tsy maintsy tanteraka eto amintsika io hoy Ravalo omaly teny Ivato. Ny mpanohitra tsy misy asa afa-tsy ny mitsikera, ary inona raha teo no maha-mpanohitra azy raha tsy haneho ny heviny ? Voakitika hatrany amin’ny orinasan’ny mpanao politika iray izay naneho io hevitra io voalohany omaly raha namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety izy.
Fivoriana antampony aty Afrika
Kanosa izay olona mitaky ny hanemotra io hoy Ravalo
samedi 7 juin 2008 |
| 402 visites