Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Taratasin’ny mpamaky

Kapao fa manimba ny tany

lundi 23 juin 2008 |  714 visites 

Tsy ho lasa lavitra intsony ny fiainana raha miloloha rano roa siny. Ny fameloman-tena tsy maintsy atao. Ny olon-dratsy anefa, miandry anao. Andraikitry ny fanjakana tanteraka ny miaro ny vahoaka mandoa hetra, indrindra ny fandriampahalemana. Tsy voafehy intsony ny kolikoly sy ny mametraha kely ataon’ny jiolahy sy ny olon-dratsy ary ny dahalo ary tena miely tokoa. Feno azy i Madagasikara. MAP inona no ho tontosa amin’izany ? Ianao misasatra sy mitsemboka, ny ratsy kosa mangarom-paosy dia mahazo. Ny mpanendaka, avy dia miakanjo, ny mpaka takalon’aina tsy mifendro. Ny mpandroba avy dia mibata. Ny dahalo, lasany mbamin’ny laoka. Misy vaovao foana ny paika maloto ataon’itony. Andefasany taratasy izay hovonoiny. Tsy maintsy manolotra ny vola. Fady ny manohitra raha mbola te ho velona. Firy taona izay no nitaraina ny vahoaka ?Izao ny any an-tsaha, mandositra. Dia iza no hiompy sy hamboly. Ny aty an-tanana tsy afa-mody alina intsony. Ny olom-poana tsy valahara mania no miroborobo croissance 20/25% isan’andro. Izay aleha misy mamely, indrindra ao Analakely.

Tambiny

Ireto misy hevitra raha tiana hioitra : Avoaka an-gazety sy radio ary tele isan’andro ny sazy miandry ny olon-dratsy. Any amin’ny faritany no manefa ny saziny migadra. Ny sazy kely indrindra dia ho roa taona. Mamerina lasa 4 taona. Tsy hanahirana ny fitsarana. Isiana rojo vy ny tongony. Rivet no atao fa tsy “cadenas” , mba tsy hanahirana ny fiambenana azy. Ny mpitandro filaminana no manampy, mampanofa ny basiny. Avy dia 10 taona ary roahina ! Ny manondro na mahasambotra ka marina, omena tambiny no fampirisihana, ka ar 50 000 hatramin’ny ar 200000, tsy atao fantatr’olona.Ny kidnapping sy famonoan’olona ar 100 000 hatramin’ny ar 500 000. Tondroina ny toerana hanaterana ny fitarainana. Asiana daty ny anaran’ilay mpandray raha misy vola. Ny laharan’ny telefaonina an’ny polisy sy zandary ataovy amin’ny “carton” mba tsy ho adinoina. Tiana hahomby izay hatao : Tsotra, avy dia kapao.

SASA MIARITRA
Atsimondrano

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}