Ratsy endrika tanteraka i Madagasikara. Io no tsapan’ny Malagasy izay monina any ivelany. Ireo vahiny mba hiditra eto kosa dia efa mailo, satria malaza ratsy ity firenentsika ity.
Toa tsy mba misy zavatra tsara haranty any ivelany mihitsy, fa ny ratsy avokoa no voatanisa any ivelany, ka mampandositra ny vahiny mba te-hitsidika antsika. Ny mpitondra fanjakana no tsy tian’ny sasany, ka ny firenena manontolo no haratsiana. Fahantrana, mpanendaka eran’ny làlana, ary korontana politika no voalaza fa manjaka eto. Toa tsy mba misy fivoarana mihitsy ity Nosy ity, fa voalaza fa milentika andro aman’alina aza. Raha mahita ireo fahitalavitra any ivelany, ka mba milaza ny momba an’i Madagasikara izy ireo, dia olona mitsindroka fako sy ireo mpirenireny etsy Analakely no hita. Ny zava-kanto mampiavaka antsika tsy mba voalaza. Misy mpanao politika izay mivelona amin’ny fanaratsiana an’ity tanindrazana ity fotsiny. Amin’ny alàlan’ny fitsingolohana ireo fahantrana etsy sy eroa no ataony, ary avoakan’ny gazety boky miseho isam-bolana any ivelany. Izay ve sisa no hany mba vitan’ny sasany hanavotana an’ity Nosy ity ? Ny tahaka izao no mampilentika ny firenena, satria handositra avokoa ny vahiny tokony hitsangatsangana na hampiasa ny volany eto. Dia ho Madagasikara fadiranovana no hanakoako eran-tany, fa tsy i Madagasikara Nosy maintso intsony.