Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h14
 

Malagasy

Fizahan-tany eto Madagasikara

Mahaliana ny vahiny ny vakoka Malagasy

jeudi 12 juin 2008 | Naivo kely |  1526 visites 

Kolokoloy, fa hampiditra vola vahiny betsaka ny vakoka Malagasy. Isan’ny toerana tsara, ary mahaliana ny maro na avy eto antoerana na ny vahiny ireo toerana manan-tantara eto Madagasikara. Raha tsy hiteny afa-tsy ny Rovan’Ambohimanga sy ny rovan’Ambohidratrimo isika. Maro ny vahiny no tonga mitsidika ireny.

Mazana anefa dia tsy ampy ny fikolokoloana ireo vakoka malagasy mbola mijoro. Toy izany koa ireo toerana azo tsidihana na hialana voly toy ny eny Mantasoa sy Ampefy, raha ny manodidina ny renivohitra no asian-teny.
Tsapan’ny vahiny mandalo tsara izany, ka tsy ho gaga isika raha maro amin’ny toerana hivantanan’ny mpizahan-tany no vazaha no mitantanana izany. Hain’ny vazaha ve tsy ho haintsika ? Raha ny hita, dia ny finihavana hanao zavatra no tsy ampy. Ny ho enti-manana ihany koa dia ilaina fikajiana tsara, fa raha tsy izany, dia ho faty antoka no hita. Isan’ny faritra tena mampidim-bola ny halan-javabohary maro eto Madagasikara. biby sy toerana mbola tsy fahita firy any ivelany no hita any main’ireny faritra ireny. Mazava ho azy, fa ny trano fandraisam-bahiny ho azy ireo, dia atao manaram-penitra. Arakaraky ny kalitao omena azy ireny ny vola miditra amintsika.

Fahatsiarovana tsy hay kosehina ho an’ny mpizahan-tany vahiny ny fahitana ireo harentsika ireo. Mila fitandremana ihany anefa ny fidiran’ny vahiny eto amin’ny tontolon’ny fahasalamana sy ny fiarovana ireo harentsika ireo. Tsy vitsy ny manondrana antsokosoko ireny harenstika ireny, toy ny sokatra, bibilava sy ny tarondro sns...

Ankoatry io, dia trandrahan-dry zareo koa ny zaza malagasy, ka ireny hiarahana mahita ireny ny fanolanana etsy sy eroa. Isan’ny mampihanaka ny SIDA haingana io. Na dia hambara ho firenena ho mahantra aza i Madagasikara, dia aoka ny voninahitry ny tena tsy ho atakalo vola.

Fa isan’ny tombony lehibe ho antsika kosa ankoatry ny vola vahiny miditra, dia ny fitiavan’izy ireny ny asa-tanana malagasy. Izy ireny no tena hiveloman’ny mpahay ity asa-tanana ity, satria ny hita dia tsy rototra amin’ny vita malagasy ny gasy. Soa fa teo ny vahiny. Hatreto dia mahaliana ny vahiny ny vakoka Malagasy, koa izay no ilana fametrahana ny soa toavina malagasy, mba ho firenena maha-tamana, fa tsy ho fanariana ny maloton’ny sasany ny firenentsika.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}