Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 17h34
 

Malagasy

Rajaonah sy ny « Otrikafo »

Malahelo ny zanaky i Lafrantsa

jeudi 17 juillet 2008 | Naivo kely |  1525 visites 

Hitsakitsahin’ingahy masoivoho Frantsay ny fiandrianam-pirenena Malagasy. Inona no antony hilazany fa tsy navelan’ny filoha Malagasy hanao ny asany izy nandritra ny kabary ho fankalazana ny fetim-pirenena Frantsay ?

« Fifanarahana efa vita teo amin’ny fitondrana Malagasy ny Frantsay iny », hoy ity mpitarika ny fikambanana « Otrikafo » ity. Nohampatsiahivin’ingahy Rajaonah fa tsy maharaka tantara ity lehilahy ity. Ny taona 1947 dia Malagasy 90000 no naripaky ny Frantsay teo. Ny taona 1972 dia dia noesorin’ny vahoaka Malagasy teo amin’ny fitondrana ny zanaky Lafrantsa dia i Tsiranana izany. Iza no tsy nahalala fa leon’ny didy jadon’io firenena io ny Malagasy ka nirongotra nanala ifotony ny fitondrana zatra nialokaloka taminy ny taona 2002. Tsy nankasitraka ny fijoroan’izao fitondrana izao i Frantsa, ka nilaza fa hajoroy ny Governemanta iraisana. Ny fetim-pirenena natao tetsy Mahamasina tamin’io taona io aza tsy nanatrika akory ny masoivoho Frantsay teto. Tokony hapetraka ny hambom-po maha-Malagasy antsika fa tsy avela ho tsabahan’ny hafa foana.

Tsapa izao, hoy ny Otrikafo, fa may Ambondrona ny filoha Ravalomanana, ka nanaisotra ity masoivoho vahiny ity. Ny tokony ho atao ihany koa dia ny tsy fandraisana ny vola fanampiana ataon’ity firenena iray ity, satria raha mbola mitarazoka aminy isika, dia hiditra hatrany amin’ny fianam-pirenena Malagasy ry zareo.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}