Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 21h19
 

Malagasy

Feno fako Andralanitra

Maloto ny renivohitra

mercredi 26 novembre 2008 | Penjy R. |  742 visites 

Tsy misy olana tsy voavaha. Anio dia efa hijery izay fomba rehetra hanalana ny fako eto andrenivohitra ny eo anivon’ny kaominina eto andrenivohitra. Misy ny olana sedraina hoy ny Ben’ny tanàna Andry Rajoelina, dia ny hafenoan’ny fako eny Andralanitra. Na ny fiara vaventy tokony hiditra eny aza tsy afaka manao izany intsony rehefa hitatitra fako. Misy ny fijerena ny vaha-olana hainga hiarahana amin’ny manam-pahaizana vahiny, hisorohana ny fitobian’ny fako be loatra. Tsy misy olana tsy azo vahana hoy ingahy Ben’ny tanàna.

Ny vahoaka kosa anefa etsy ankilany, dia efa tsy mahandry izany, satria maimbo ny tanàna misy azy. Ny hetra aloha ihany. Miparitaka ny lalitra sy ny voalavo. Ny fety anefa ho avy. Ireo rehetra ireo no tsapa eny anivon’ny fiaraha-monina rehetra eny. Mino anefa isika fa hadio tsy ho ela ny tanàna, ary mba ahay ahatsapa ny fitandroana ny fahadiovana ihany koa isika rehetra.