Anjaran’ny tanora indray izao. Ampy izay ny anay. Mpanao Politika isan’ny fanta-daza efatra teto amin’ny firenena no nilaza ireo ny faran’ny herinandro teo. Na dia niezaka ny handrafitra ny tetika entina hanatsarana ny fomba fanaovana Politika eto Madagasikara aza ny antoko sy ny mpikambana ao aminy, dia misy fotoanany ny zava-drehetra.
Ho ampitaina ny fanilo, ka anjaran’ireo tanora mpikambana nomena andraikitra indray no manohy ny tolona. Tsapa ho an’ny antoko maro ity fanovan-drafitra tao ho ao ity. Isan’io ny teo anivon’ny TIM izay mitety faritra maro manamafy ifotony ireo mpikatroka isaky ny faritra. Ny antoko AKFM, izay efa ireo tanora zandriny avokoa no mamndrafitra ny birao politika. Ny Arema kosa dia io mbola hiarahana mahita io ny fidongiana seza ataon’ireo efa zokiny, ka zary nipatitaka samy maka ho azy ny rehetra. Ny MFM izay nolazain’ingahy Manandafy Rakotoniriana, fa efa vonona ny mpikatroka amin’izay fifandimbiasana izay tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray.
Na eo aza ho an’ny ankamaroan’ny antoko ny mamindra ny andraikitra toy izao, dia tsapa, fa mbola manome ny heriny ho an’ny antokony ny ankamaroan’izy ireo.
Tsy zoviana amin’ny maro, fa misy antoko natao hanongam-panjakana fotsiny. Ao ihany koa ny tsy mahatazona ny foton-kevitra nijoroany, ka zary mivadibadika manaraka ny toe-trandro eny. Ary ao no natao hisolelaka hatrany, satria izay no entiny hivelomana sy hamelomana ny antoko. Tsy azo lavina fa mahatratra 200 latsaka kely no isan’ny antoko eto Madagasikara, ary ny mpikambana tsy nahita avaram-patana tamin’ny antoko iray no manangana io. 10 raha be indrindra no mandrafitra ny birao, dia efa milaza ho antoko matanjaka ry zalahy. Rehefa tonga anefa ny fifidianana, mba firy amin’ireto antoko ireto no sahy milatsaka ? Ny fanohanana ny kandida hafa mazana no hita, ka eo no misy fifampiraharahana ara-bola, mba sitrany ahay e.
Handao tsy ho ela ny sehatra misy azy ireo antsoina hoe goaika antitra teo amin’ity sehatra ity, hanao ahoana indray ny famindran’ireo mpandimby ? Ho hita eo ihany, fa ity taona ity no hafantarana ireo handeha hisotro ronono eo amin’ny fiainam-pirenena.