Ny teny no maha-firenena ny firenena. Isan’ny notakian’ny Teza hatramin’izay ny fampiasana ny teny Malagasy ho isan’ny teny enti-mampianatra. Tsy midika io, fa tsy hampiasa ny fomba fiteny vahiny isika, fa omena lanja lehibe ny tenindrazana.
Isan’ny fitakiana ataon’ny loholona Moxe Ramandimbilahitra ny hamerenana ny kilasy mandry. Lalana iray lehibe manampy ny tanora eo amin’ny fianarany ny toy izany. Manana soson-kevitra ny teza, izay efa nalefa eny anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena.
Mbola naverin’ny loholona moxe Ramandimbilahitra ihany koa ny filazany ny tokony hanaganana ny haute cour de justice. Io rafitra iray io no hitsara ireo mpitondra tsy maty manota. Hiezaka aho ny hikitika hatrany ny fanaganana izany. Tsy nankasitrahany kosa ny fanovana tandrametaka ny lalam-pifidianana. Mila fandinihana lalina izany, fa tsy isaky ny miova mpitondra dia hikitika ny lalam-pifidianana hatrany. Tao amin’ny aceem Radio ny alahady teo no namoahany ireo hevitra ireo, ary tamin’izany no nilazany ny soson-kevitra momba ny resaka solika, izay ny hetra alain’ny fanjakana no tokony ahena, ary hisy fiantraikany tsara eo amin’ny tsy fihetehan’ny vidin’ny solika izany.