Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 06h07
 

Malagasy

Fanampiana ny traboina

« Manararaotra Ravalomanana », hoy ny AKFM

mardi 26 février 2008 | Naivo kely |  727 visites 

Apetraho ny resaka politika fa ain’olombelona no vonjena. Io no fanehoan-kevitra nataon’ny antoko AKFM taorian’ny fivoriana nataon’ny birao politika ny faran’ny herinandro teo.

Adidin’ny fanjakana ny manampy ny mpiray tanindrazana, ary volam-panjakana no ampiasaina fa tsy vola manokan’ny mpitondra. Noho izany dia tokony atao mitovy ny fizarana ny fanampiana fa tsy zara vilana. Nanome ohatra tamin’ny seho tany Toamasina sy Ambatondrazaka ny AKFM izay hita ny fitongilanana raha oharina ny teto Antananarivo.

Hita ny fanararaotana ataon’ny filoha Ravalomanana mampiditra resaka politika mandritra ny fitsidihana ataony. « Atsaharo io, fa ny ain’ny mpiray tanindrazana no banjino », hoy ny AKFM.

Manoloana ny fifidianana izay ataontsika ny volana martsa izao kosa, dia tsapa izao ny fahamarinan’ny fitakian’ny hery maro samy hafa ny hanemorana ny fifidianana. Tsy hifantoka amin’io ny sain’ny vahoaka, satria ny fanarenana ny simba vokatry ny sikilaonina no mby masaka ao an-tsainy. Mbola mitaky ihany ity antoko ity, ny hanafoanana tanteraka io fifidianana io, fa tsy ahemotra. « Miaraka hory amin’ny vahoaka Malagasy izahay », hoy sekretera nasionalin’io antoko io, Rakotomanga Erick.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}