Ny hanongotsongoana ny maty hono tahotry ny handevim-belona, ary ny hanairana ny sain’ny mpitondra henatry ny hanan-dratsy. Manomboka simba ny fototrafitr’asa eto andrenivohitra sy ny manodidinana izay heverina fa nandaniam-bola betsaka ny nentina nanaovana izany. Isan’io ny làlana izay miverina ny lavadavaka isan-karazany, izay hambara fa ny làlana no làlan-dra mampiodina ny toe-karena, ary hitarafana ny fandrosoan’ny faritra iray. Niesisesy ny orana tao ho ao, ka tsy mahagaga raha potika izay narenina, kanefa hatraiza ny fanaraha-maso ny fifanarahana natao tamin’ny orinasa mpanao itony asa itony ? Mahatratra 25 taona ny faharetan’ny asa, kanefa tsy vao 4 taona monja ve izay no lasa dia io hiarahana mahita io ny hamafiny ? Mandroso mihemotra ny fampandrosoana eto Antananarivo raha tsy mitoetra ny fanaraha-maso ifotony itony asa goavana itony, ka ny « TIP TOP » sisa ny voninahitry ny vola be nolaniana nanamboaran-dàlana. Vola nindramina ny ankamaroan’ny nanaovana ny fotodrafitr’asa rehetra teto, ary tsy maintsy ny hetram-bahoaka no hanefana izany, ary antenaina fa tsy ho hambakan’ny zava-misy hita maso ankehitriny ny ezaka izay ho ataon’ny mpitondra mifandimby eo mba tsy ho latsam-panenenana lava izao isika mianankavy.
Mandroso mihemotra
vendredi 1er février 2008 |
| 727 visites