Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 16 juin 2025
Antananarivo | 21h19
 

Malagasy

Kaominina andrenivohitra

Manomboka anio ny sazy

lundi 10 novembre 2008 | Penjy R. |  778 visites 
Tsy azo ekena intsony ny toy izao.

Tsy andeferana intsony ireo miniha mandika ny fepetra napetraka. Io no nambaran’ireo tompon’andraikitra misahana ny polisy kaominaly eto amin’ny tanana, satria ampy izay ny filazana ny tokony hanajana ny lalana isan-karazany. Momba ny fipetrahan’ireo mpivarotra fiara etsy Analakely sy ireo mpanamboatra finday io.

Hanao be midina eny amin’io faritra Analakely io ny mpiasan’ny kaominina anio maraina. Ho raofina avy hatrany ireo fiara mbola mijanona eny amin’ireo fariotra natokana hanaovana parking. Ireo mpivarotra sy mpanamboatra finday tsy ara-dalana ihany koa dia ho tratrin’ny toy izany.
Ho hentitra ihany koa ny fanaraha-maso ireo miniha manary fako etsy sy eroa. Miteraka loto ho an’ny tanana ireny, ka izay tratra miniha manao izany, dia hiaran’ny sazy. Anjaran’ny rehetra ny mandinika, fa raha mbola goragora hatrany no hifampifehezana eto, dia mbola ho ela vao hadio ny tanana.
Penjy R